Inona no havaliko an’i Jehovah ?

Philippe Laügt

Inona no havaliko an’i Jehovah,
noho ny soa rehetra nataony tamiko ?
(Salamo 116. 12)



Lohahevitra

Hetsiky ny fo ho amin’Andriamanitra, aseho amina voady na fanatitra

Ireo voady momba ny olona (Levitikosy 27. 1-8)

Ireo voady momba ny biby (Levitikosy 27. 9-13)

Voady hanamasinana trano na ampahany amina zaratany (Levitikosy 27. 14-24)

Lalàna hafa (Levitikosy 27. 26-33)



Vakio: Levitikosy 27

Deoteronomia 23. 21-23

Salamo 22. 25; 116. 14, 18

Nomery 30. 1-17



Eo amin’ny fiandohan’ny Levitikosy dia miantso an’i Mosesy Andriamanitra. Avy teo amin’ny tranolay fihaonana Izy no nilaza taminy hoe: “Raha misy aminareo manatitra ... fanatitra ho an’i Jehovah...” (Levitikosy 1. 2). Davida, ilay mpanao fihirana mahafinaritra teo amin’ny Israely, dia hilaza hoe: “Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; te ho vokin’ny zava-tsoa ao amin’ny tranonao izahay, dia ny zava-masina ao amin’ny tempolinao” (Salamo 65. 4). Ny fitsaohana dia ho an’Andriamanitra, ary ho Azy irery ihany. Mitady mpivavaka aminy Izy (Jaona 4. 23).

Ny fanalahidin’ny Levitikosy, dia i Kristy. Ny lafiny rehetra momba ny sorona nataony sy ny fisoronany dia voalaza ao (toko 1-10). Ny fitoerana masina sy ny fitsaohana no tena votoatin’io boky io, nefa ao ihany koa ny lalàna momba ny fahadiovana, indrindra ny habokana (toko 11–16; 24), momba ny Andro Fanavotana (toko 16), ireo fety fito voatendrin’i Jehovah (toko 23), ny taona sabata sy ny Jobily, izay nanavotan’ny isambatanolona ny tany lovany (toko 25). Farany, Andriamanitra dia manome fampitandremana hentitra, raha toa mandika izany lalàna izany ny vahoaka (toko 26).

Ndeha hojerena kely ireo lalàna farany ao amin’io boky io. Ny toko 27, izay toa fanampiny ihany, dia miresaka momba ny voady azon’ny zanak’i Israely tononina an-tsitrapo, ary noho izany, dia miavaka amin’ireo lalàna rehetra, izay tsy maintsy narahina.

Hitantsika ao koa ny fomba tokony “hanombanan”’ny mpisorona ireo voady ireo. Maneho hevitra misongadina io matoanteny io, izay miverina indraika ambin’ny folo ao amin’ny andininy valo voalohany ary intsivy ambin’ny folo ao amin’ny toko manontolo.



Hetsiky ny fo ho amin’Andriamanitra, aseho amina voady na fanatitra

Hain’i Jehovah mandrakariva, eo anivona vahoaka mivadibadika, ny manavaka sy mamaly izay rehetra mety ho hetsiky ny fo ho Aminy, aseho indrindra, eto, amina voady na fanatitra. Azo atao ny manatitra ny tena na manolotra ampahany amin’izay ananana.

Voalohany indrindra, aoka homarihina ny fifanoherana mazava misy eo amin’ny filazana sara voafaritra, tsy miova mihitsy, ho avotra “ho fanatitra ho an’i Jehovah”(Eksodosy 30. 13), sy ny voalaza ao amin’ireo andininy ao amin’ny Levitikosy 27 ireo.

Ny saran’ny fanavotana ny mpino dia mitovy ho an’ny rehetra, na manankarena izy na mahantra! Tsy manao fanavahana eo amin’ny mpanota Andriamanitra (Romana 2. 11; 3. 22): ho an’ny rehetra no anolorany fomba iray ho famonjena, omeny maimaimpoana an’izay rehetra mino (Romana 3. 24). Saingy tena lafo io fanavotana io, teo amin’ny hazofijaliana, tamin’Ilay nandoa azy ho antsika!

Ny ao amin’io toko 27 ao amin’ny Levitikosy io dia vokatra an-tsitrapo avy amin’ny fahasoavana efa matotra, avy amina fo vonona tsara. Hita etsy sy eroa teo ambany lalàna ireny tora-po mahafinaritra ireny, izay notsahivina tamina fehezanteny isan-karazany: “Izay rehetra nampahazotoin’ny fony” (Eksodosy 35. 21, 26; 36. 2), na koa: “Izay rehetra ampirisihin’ny fony”, “Izay rehetra nampirisihin’ny fanahiny” (Eksodosy 25. 2; 35. 5, 21, 22, 29).

Toy izany ny toe-tsain’i Hana. Nanao voady izy hoe: “Jehovah Tompon’ny maro ô, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon’ny ankizivavinao Ianao ka ... hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an’i Jehovah kosa izy, amin’ny andro rehetra hiainany” (1 Samoela 1. 11). Voady tsy fahita andavanandro io. I Elkana vadiny dia hita mazava fa natahotra hoe ho sarotra loatra ho an’ny vadiny ny hanefa io voadiny io, rehefa tonga ny fotoana (1 Samoela 1. 23)! Kanefa dia tsy izany mihitsy no niseho; rehefa nentiny tany Silo ilay zanany, dia nivavaka izy ary niravoravo amin’i Jehovah (1 Samoela 1. 24, 28—2. 1).

Nisy olona hafa koa, izay nisedra olana tsy hay novahana, niantso ny fahefana tsitohan’Andriamanitra ary nivoady teo anatrehany. Anisan’ireny, ohatra, i Jakoba (Genesisy 28. 20-22), mbamin’i Jona (Jona 2. 10).

Niditra an-tsehatra ny mpisorona mba hanombana marina ilay olona na ilay zavatra, tamin’ny fotoana nanoloran’ilay Israelita ny fanatiny: “Araka izay hataonao mpisorona tombany no izy!” (Levitikosy 27. 12). Tsy maintsy natao am-pitandremana tsara izany tombana izany. Mpitondra tenin’Andriamanitra ny mpisorona, satria miaina eo amin’ny fanatrehany. Tsy maintsy nikatsaka hatrany ny tombontsoan’Andriamanitra ny zavatra nataony.

Ny tombana nataon’ny mpisorona dia mety nahakasika olona (and. 1-8), biby fiompy (and. 9-13), trano (and. 14-15), zaratani-na Israelita iray (and. 16-21), na koa izay novidiny aza, izany hoe tsy anisan’ny lovany (and. 22).



Ireo voady momba ny olona (Levitikosy 27. 1-8)

Tsy nitovy ny tombana natao tamin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Niovaova koa izany, arakaraka ny fotoana teo amin’ny fiainany, izay nanapahany hevitra, taoriana fandinihina lalina, ny hanonona amin’ny vavany, amin’ny feo mafy sy mazava tsara, ny voadiny (Ohabolana 20. 25). Tsy nanan-danja ny voady ary tsy namatotra ny olona nanao azy, raha tsy voatonona. Hita any an-toeran-kafa ao amin’ny bokin’ny Levitikosy koa ny voambolana hoe “voady”, ampiharina amin’ny fanati-pihavanana (7. 16; 22. 18, 22-23; 23. 37-38). Eto ny fanatitra dia nomena ho an’ny tempoly ary azo navotana. Mahavariana ihany fa na dia ny fanavotana ireo olona natokana, aza, dia voafaritra mialoha; mazava nefa fa izany no niseho, matetika.

Samy hafa ny fahaizana nomen’Andriamanitra ny tsirairay. Ankehitriny ireo zanak’Andriamanitra rehetra dia samy navotan’ny ra sarobidin’i Kristy. Na izany aza, nefa, izy ireo dia tsy mitovy fahatakaram-panahy na fahaizana, hanefany ny fanompoana ankinina amin’izy ireo!

Fa arakaraka izay fahafoizantsika tena amin’izao vaninandro izao no ho toerantsika ao amin’ny tontolo iainana ho avy, izany hoe mandritra ny fanjakana arivo taona! Raha mirona amin’ny fanakianana izay atao na tsy ataon’ny mpino hafa isika, dia aoka hotsarovantsika fa ny Tompo no Ilay mitsara amin’ny fahefany tsy refesina. Ny zavatra rehetra dia tsarainy araka ny vidiny omeny azy (aseho eto amin’ny sekely [ao amin’ny fitoerana] masina). Ao amin’ny Tenan’i Kristy ny isan’ny Tena tsirairay dia samy manana ny lanjany sy ny asany manokana. Aleo avelantsika amin’ny Tompo ny fitsarana izay ataon’ny hafa. Aoka isika tsy ho fatra-pikatsaka ny fankasitrahan’ny hafa.

Irintsika ve ny mba hoentin’ny olona manodidina antsika tsara kokoa noho ny nanaovany ny Tompo? Aoka hotsaroantsika ilay “vola be” nanombanan’ny olona Azy (Zakaria 11. 13, mifanohitra amin’ny 1 Petera 2. 6).

Ny Tompo no tokony ho voalohany indrindra amin’ny fitiavantsika. Matetika dia tarigetra hafa tanteraka no ananan’ny olona. Katsahiny ny hahita eto an-tany ny fananan-karena, ny fiainana tsy sarotra, karazana fiadanana. Hoy ny apostoly Paoly amin’ireo olo-navotana: “Mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindràmpon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao” (Romana 12. 1-2).

Ny ankohonan’i Stefanasy no “voaloham-bokatr’i Akaia”; “nanolo-tena ho amin’ny fanompoana ny olona masina” izy ireo (1 Korintiana 16. 15). Nifidy izany lalana izany ihany koa ny Makedoniana. “Ny tenany no natolony ho an’ny Tompo, aloha.” Avy tamin’izany fanoloran-tena tany am-boalohany izany no niavian’ny fanompoana rehetra nataon’izy ireo, feno zotom-po sy hafaliana (2 Korintiana 8. 2-5; Romana 6. 13).

Tsy nisy, tamin’izany, olona afaka nisolo olona. Ny tombana natao dia arakaraka ny taona.

Roapolo taona (and. 3), ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia fiandohan’ny fiainana. Ny fahatanorana dia mbola feno tanjaka ara-batana sy ara-tsaina, izay tsy mbola voatohintohina, raha ny tokony ho izy. Raha toa ny mpino ka mahatsapa marina fa tsy an’ny tenany intsony (2 Korintiana 5. 15) ary mihaino ireo torohevitra feno fahendrena omen’ny Teny (Mpitoriteny 12. 1), dia afaka manompo tanteraka ny Tompony amin’ny fo feno hafaliana sy fiadanana. Antsoina izy hijoro ho vavolombelon’ny finoany eo anoloan’izao tontolo izao.

Ny tombana nataon’ny mpisorona momba ny lehilahy manomboka amin’ny 20 ka hatramin’ny 60 taona dia sekely volafotsy 50, ary sekely 30 kosa ho an’ny vehivavy (and. 3-4). Mandritra ireo taonam-pahamatorana feno ireo, nefa, dia misy ambaratonga, raha ny ara-panahy no lazaina (1 Jaona 2. 12-17), na dia mandeha ara-dalàna aza ny fitomboana ara-panahy (mifanohitra amin’izany: Hebreo 5. 12-14). Isika ve mba manontany eo imason’ny Tompo hoe ambaratonga inona no efa tratrantsika?

Na izany aza, dia tsy maintsy manompo ny Tompo an-kafanam-po ny olom-boavotra, na inona na inona fahaizany. Tokony hampiarahany amin’ny finoany sy ny hafaliany izay rehetra teneniny na ataony. Tsy maninona na miasa tanana izy na tsia: fa tsy maintsy mahatoky kosa izy (1 Korintiana 4. 2). Amin’izany izy dia manaraka ny dian’i Jesoa, Olona lavorary tamin’ny fizotrany tetỳ an-tany teo imason’Andriamanitra (1 Petera 2. 21). Ny Tompo, Izay feno fangorahana, dia tsy mba nihodina mihitsy nanoloana ireo mahantra, ireo nampahoriana, ireo marary nifanena taminy teny amin’ny lalany. Enga anie isika ka mba haniry hanao toa Azy (Lioka 10. 33)!

Aorian’ny 60 taona dia latsaka ambany be ny tombana, raha ara-potokevitra (and. 7). Nefa tsy hoe tsy azo sorohana tsy akory izany fitotonganana izany. Ilaina ny miandrandra ny Tompo (Isaia 40. 31). Tsaroana ny vokatry ny fahasoavana tamin’i Mosesy, ohatra. “Efa 120 taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny” (Deoteronomia 34. 7).

Mampalahelo sady mahamenatra ny mitondra ho an’ny Tompo ny “sisa”-na fiainana nolanilaniana foana teo amin’izao tontolo izao. Na izany aza, raha misy olona “malahelo [kokoa]” noho ny tombana natao, noho ny antony samihafa izay fantatr’Andriamanitra sy heveriny, “dia hoentina eo anatrehanny mpisorona izy”; ary ny mpisorona hanombana azy, “araka izay takatry ny ananan’ilay nivoady” (and. 8); ho ana olom-boavotra, dia azo lazaina hoe: izay “azony momba an’i Kristy”. Eritreritra mankahery izany: raha misy olona mahatsiaro tena ho tsy mahay manao na inona na inona, dia azony atao mandrakariva ny mitady vonjy amin’ny fahasoavana.

Raha tsy afaka “miasa tany” intsony isika, dia mbola afaka mangataka ihany! (Lioka 16. 3). Fa moa tokoa ve ny olona tsy mpangataka mandrakariva eo anatrehan’Andriamanitra? Enga anie isika mba harovany tsy hihevi-tena “ho zavatra, kanjo tsinontsinona, (ka) mamitaka ny tena” (Galatiana 6. 3)! “Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no naha-toy izao ahy” (1 Korintiana 15. 10), hoy ny apostoly Paoly. Niasa fatratra izy, mihoatra noho ny olona rehetra, nefa dia nanampy hoe: “Nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan’Andriamanitra no niara-niasa tamiko.” Mahasambatra indrindra ny miankina Aminy!

Misy toko hafa ao amin’ny Levitikosy, ahitana fepetra mitovitovy amin’izany, ho an’ireo “malahelo” (5. 7; 12. 8; 14. 21).

Tamin’ireo olona nentina teo amin’ny mpisorona ireo, dia mety nisy mbola tena tanora, izay nomen’ny Tompo faniriana hanompo Azy, araka izay hainy. Misy ohatra maromaro, taterina ao amin’ny Soratra Masina, afaka mampahery ireo mpamaky mbola tanora (jereo, ohatra, 2 Mpanjaka 5. 2-3; 1 Samoela 21. 11; Jaona 6. 9...). Na izay fo mbola tanora indrindra aza, dia afaka ny ho tempolin’ny Tompo! hoy ny hira iray.

Nisy aza tombana nomanina ho an’ny zazakely, “hatramin’ny iray volana ka hatramin’ny dimy taona” (and. 6). Azo antoka fa anisan’ireo i Samoela, izay tonga tao amin’ny tempoly raha vao nisara-nono. Efa nampianarin-dreniny izy, hany ka tsy nitomany raha nilaozany. Niankohoka teo anatrehan’i Jehovah izy ary nanomboka nanompo Azy (1 Samoela 1. 28; 2. 18). Nijery manokana mandrakariva ireo zaza madinika ny Tompo, nandritra ny fanompoany. Noteneniny mafy ireo izay nitady hanakana azy ireny tsy hanatona Azy (Matio 19. 14). Notrotroiny ireny zaza ireny (Marka 9. 36; 10. 16), ary tiany ny nampiasa azy ireny ho ohatra amin’ny fampianarany (Marka 9. 36; 18. 13).

Ny sekely nampiasaina tamin’ny tombana dia “gera roapolo” (and. 25). Tombana tsy azo lavina nataon’Andriamanitra io. Io no nampiasaina hanefana ny zavatra rehetra, ary tsy nisy ifandraisana amin’ny sekely “araka ny fandanjàn’ny mpanjaka”, izay mampiahiahy lalandava (2 Samoela 14. 26; Amosa 8. 5). Ny tombana ataontsika olombelona dia tsy azo antoka sady misy fetrany (Isaia 55. 9). Ny sekely [ao amin’ny fitoerana] masina ihany no fatra azo antoka; io dia azo lazaina ho toy ny metatra modely, izay tehirizina tsara tsy ho tratran’ny fiovaovan’ny maripana, ary iankinan’ny refy rehetra fanaontsika.

Mandanja am-pahamarinana ny Tompo: “Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa” amin’ny mizàna tsy miangatra, amin’ny “mizànan’ny fahamarinana (1 Samoela 2. 3; Joba 31. 6; Ohabolana 16. 2; Daniela 5. 27). Izy no manapaka hoe inona no mahitsy ary inona no tsy mahitsy. Izy no nahatakatra ny tsy fisian’ny finoana tao amin’i Kaina, ny zotom-po ara-nofo tao amin’i Jeho, ny nialan’ny tany Efesosy tamin’ny fitiavany voalohany, ny nialan’ny fiainana tany Sardisy, ny tsy fisian’ny solika fitaiza teo amin’ny dimy tamin’ireo virijiny folo, ny tsy fananan’ilay lehilahy akanjo fitondra amin’ny fampakarambady, ka nahatonga azy tsy nahateny nony nanontaniana (Matio 22. 11). Mitsara araka ny asan’ny tsirairay Izy, fa tsy mba mianina amin’ny fisehoana ivelany, toy ny ataontsika matetika loatra (1 Petera 1. 17; Apokalypsy 20. 12; 22. 12).

Rehefa nanokan-tena manokana ny Israelita iray, dia tsy maintsy nanompo tao amin’ny fitoerana masina. Tamin’izany fotoana izany, nefa, dia tombontsoa manokana natokana ho ana foko tokana izany: ho an’ny Levita sy ny mpisorona ao amin’io foko io. Noho izany izy, mba hanefany ny voadiny, dia tsy maintsy nandoa tao amin’ny rakitra ny vidi-na andevo iray eny an-tsena. Ankehitriny, ny olom-boavotra rehetra dia mpisorona avokoa; araka izany izy ireo dia tokony hamela mandrakariva ny Tompo hampiasa ny androny, ny fananany, ny tenany sy ny fony! Ny zavatra rehetra ao amintsika dia Azy, zony izany, koa aoka isika hitandrina tsy hanala na inona na inona amin’izay tokony ho Azy.

Ireo voady momba ny biby (Levitikosy 27. 9-13)

Ndeha koa isika hijery kely ny momba ireo biby fiompy izay azo natolotra, ary hitady hahatakatra ny vidin’ireo eo imason’Andriamanitra.

Eto dia tsy resaka sorona, toy ny teo aloha ao amin’io boky io. Nomena ny mpisorona fotsiny ireo biby (Nomery 18. 14), natao hampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana: “Ho masina ho an’i Jehovah izay (biby fiompy fanao fanatitra) rehetra omena(and. 9-10), ary masina dia masina, aza (and. 28).

Rehefa natokana ho sorona ilay biby, dia tsy azo novàna intsony na hatakalo hafa, “na ny tsara ho solon’ny ratsy, na ny ratsy ho solon’ny tsara” (and. 10)! Indrisy, fa mety hiseho ny hoe manenina nanome biby ratsy ho an’ny Tompo, nefa tsy azo nosoloina biby tsara intsony io, fa ny hany azo atao dia ny manampy biby tsaratsara kokoa.

Ao amin’ny bokin’i Malakia dia biby misy kilema no nentin’ny Israelita ho an’ny mpisorona. Efa niha-nangatsiaka ny fitiavan’izy ireo, ary Andriamanitra dia voaroba tamin’izay rehetra tokony ho Azy (Malakia 1. 8-14; 3. 8).

Zavatra saro-pady mandrakariva ny voady. Tsy tokony hirosoana tsy am-pahalalana; indrindra moa, am-pihamboana (Mpitoriteny 5. 4-5; Asa 5. 1-5; Matio 5. 33)! Tsy mba hay fitahina Andriamanitra. Ny apostoly Paoly sy Jakoba dia samy manampy fampirisihana ampiharina amin’ny fiainana andavanandro, momba io fampianarana io (2 Korintiana 1. 17-20; Jakoba 5. 12).

Ny biby maloto (ampondra, rameva) dia azo antoka fa maneho ireo fahazaran-dratsy na ireo eritreritra maloto, izay tiana hialana mba hankatoavana an’Andriamanitra. Nentina teo anoloan’ny mpisorona ilay biby; ny tombana nataony ihany no izy (and. 12). Eo amin’ny fiainana dia mifangaroharo fatratra, matetika, ny antony manetsika antsika eo imason’Andriamanitra. Kanefa Ilay Mpisoronabentsika, Ilay mendrika ho antsika (Hebreo 7. 26), no manapaka ny tena vidin’ny fanatitra ataontsika, manapaka ny tena vidiny eo imason’Andriamanitra, Izay mahita ny zavatra rehetra (Hebreo 4. 12).

Azo navotana io biby io (and. 13). Izany ve tsy mampiseho fitotonganana tatỳ aorian’ny tora-po voalohany? Resahin’i Petera ny momba ireo nanadino ny nanadiovana azy tamin’ny fahotany fahiny (2 Petera 1. 9)! Raha ta hanavotra azy ny tompony, dia manampy ho tonga avy fahenina ny tombana nataon’ny mpisorona. Azo antoka izany fa mampahatsiahy ny zavatra niseho momba ny fanati-panonerana koa.

Mba mahatakatra kely ny saintsika, amin’ireo andininy ireo, hoe toa inona ny fahamasinan’ny voady.



Voady hanamasinana trano na ampahany amina zaratany (Levitikosy 27. 14-24)

Afaka nanao voady ny olona, hanamasinana ny tranony. Nety feno fankasitrahana ny fon’ny Israelita iray noho ny fitahiana azony, teo amin’ny fianakaviany, na taoriana fanafahana manokana mbola nahazoany manana fiainana milamina, teny ambany voalobony na aviaviny (1 Mpanjaka 5. 5). Koa nipoitra tao am-pony ny faniriana hamaly an’i Jehovah noho ny fitahiana noraisiny, ary dia nohamasininy ny tranony.

Isika ve, ry zanak’Andriamanitra malala, araka ny maha-loham-pianakaviana antsika, tsy tokony mba hanana faniriana toy izany? Aorian’ny Tranon’Izy Andriamanitra, ny zavatra manan-danja indrindra aminy, dia ny tranon’ny mpanompony.

Eto koa dia mbola niditra an-tsehatra ny mpisorona, hanombana ilay trano ary hilaza na tsara izy io na ratsy (and. 14). Eto ihany koa, raha toa nisy fanenenana taorian’ilay tora-po voalohany (Jeremia 2. 2-3), dia azo natao ny miverina tamin’ny fanapahan-kevitra, ka manampy ho tonga avy fahenina ny vola nataon’ny mpisorona tombana, ary manavotra ilay trano.

Azon’ny olona natao koa ny nanamasina ho an’i Jehovah ampahany amin’ny zarataniny. Nony nijery ny vokatra nampiakariny izy dia nahita fa namokatra be ny taniny, nahita fa nahazo fitahiam-be tamin’Andriamanitra izy (Salamo 107. 36-37). Koa nanam-paniriana tao am-pony izy, hamaly an’Ilay finaritra ny nitahy azy. Ho an’i Israely, ny fitahiana, voalohany indrindra, dia ara-karena, araka ny zavatry ny tany. Ankehitriny, ho an’ny mpino dia manana lanja ara-panahy avokoa, aloha, ny zavatra rehetra (Efesiana 1. 3)!

Ny tombana natao dia “araka ny voan-javatra famafy eo” (and. 16). Notombanana 50 sekely ny voam-bary hordea (sakafon’ny mahantra) iray homera (folo efaha). Izany fanombanana izany dia tsy nisy mihitsy vinavinan’izay mety ho habetsaky ny vokatra. Ny andraikitsika dia ny mamafy mandrakariva, fa Andriamanitra irery no afaka manome vokatra be.

Tamin’ny zava-mitranga rehetra dia tsy maintsy noheverina hatrany ny datin’ny Jobily manaraka, ilay fety nanambara ny famerenana amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. Ho antsika, ny zavatra andrasantsika dia ny fiavian’ny Tompo tsy ho ela! Rehefa izay no banjinintsika eo amin’ny fiainana, dia manjary tsy manan-danja loatra ny zava-drehetra eto an-tany, manjary tsy azo ianteherana! “Ahy ny tany...” hoy Jehovah mampahatsiahy ny vahoakany; “mpivahiny Amiko ianareo” (Levitikosy 25. 23). Tsy niova izany zavatra izany, ho an’ny olo-navotan’ny Tompo, afa-tsy ny hoe any an-danitra ny lovany. Tsy eto an-tranony izy, etỳ an-tany; mpitantana izy ary tokony ho mahatoky (1 Korintiana 4. 2).

Raha toa mifanindry amin’ny taon-Jobily ny “fanamasinan”’ilay olona ny zarataniny, dia notanana ny tombany voalohany izay nolazain’ny mpisorona. Raha tsy izany dia nampidinina io tombana io, araka ny taona sisa tsy hahatongavana amin’ny taon-Jobily (and. 18). Izany dia fepetra nihazonana ilay mpanao voady, tsy hikajikajy ao am-pony hoe antomotra ny taon-Jobily; ho noheverina hoe nanao voady tena lehibe izy, nefa tsy izany, fa ny marina dia hoe voady bitika kely no nataony!

Mampahatsiahy antsika ny fihetsiky ry Ananiasy sy Safira izany, tamin’ny fotoana nahatonga kristiana maro, anisan’ireny i Barnabasy, hivarotra ny taniny rehetra, natosiky ny tena fitiavana ny Tompo, ary nametraka ny vidiny rehetra teo an-tongotry ny apostoly (Asa 4. 34-37; Asa 5. 1-4).

Ankilany koa anefa, tsy notombanana iva ny vidin’ny tany. Ary raha nisy olona nanana fo malalaka sy tena fankasitrahana ny Tompo, dia azony natao ny nanokana ny taniny ho an’ny Tompo, manomboka amin’ny Jobily iray mandra-pahatongan’ny Jobily manaraka!

Tsy ataon’Andriamanitra tsinontsinona ny fahasamihafana amin’ny fihetseham-po sy ny fikasana misy eo amina olona iray sy amina olona iray hafa. “Ianao, Izay mahitsy, no manamarina ny alehan’ny marina” (Isaia 26. 7). Tena sarobidy tamin’ny Tompo ireo farantsakely nomen’ilay mpitondratena, mbamin’ny tavoara alabastara feno menaka manitra nentin’i Maria. Ireo fanomezam-be nomen’i Davida sy i Solomona dia nanana ny lanjany, eo anatrehany.

Fa, na amin’ny tranga voalohany na amin’ny tranga faharoa, dia indrisy fa mety hiha-mangatsiaka ny fo ary hihena ny fankasitrahana! Eto ihany koa, dia azo avotana ilay tany (and. 19) raha manefa sazy (io ilay ampahenina mampahatsiahy izay tsy maintsy naloa tamin’ny fanatitra noho ny ota). Mahafaly indrindra ny Tompo ny fitiavana mangotrakotraka avy ao am-pontsika (Matio 26. 7-13), fa ny fihenany kosa dia toy ny fahotana (Hebreo 10. 38).

Fa raha toa tsy navotana ilay tany, dia ho an’ny Tompo ho mandrakizay. Ary raha toa namidin’ny mpisorona tamin’olon-kafa io tany io, dia tsy azon’ilay tompony voalohany navotana intsony, tsy afaka nilaza intsony izy hoe niova ireo fihetseham-pony taloha (and. 20-21); noho izany isika dia tsy maintsy mandanjalanja mialoha ny ho vokatr’izay tiantsika hatao ho an’ny Tompo, “mihevitra izay ho lany” (Lioka 14. 28). Izay ataontsika ho Azy dia hisy akony mandrakizay.

Raha toa nisy olona te hanokana tany iray novidiny, nefa tsy anisan’ny “zarataniny”, dia tsy afaka nanolotra izany ho an’ny Tompo ho mandrakizay izy! Fotoana voafetra ihany no nananany io tany io, ary hifarana izany amin’ny fotoanan’ny Jobily. Izay nanana zo tsy azo novàna amin’ny anjara lovany ihany no afaka nanao fanomezana toy izany.

Tsy afaka mitondra ho an’ny Tompo afa-tsy izay ananantsika isika, fa tsy izay “nampindramina” antsika fotsiny. Tsy maintsy zavatra manan-danja ho antsika no omentsika, zavatra hampahalahelo antsika ny fahaverezany, raha tsy ho Azy. Izy irery ihany no tokony hahazo io zavatra io!

Takatr’i Davida tsara ny lanjan’izany. Ny famoloan’i Araona, ny omby nilaina sy ny hazo hatao kitay dia samy nomenilay tompony maimaimpoana avokoa. Nefa namaly ny mpanjaka fa tsy hanatitra ho an’i Jehovah Andriamaniny, “fanatitra ... amin’izay azony fotsiny(2 Samoela 24. 24)!



Lalàna hafa (Levitikosy 27. 26-33)

Ankoatra izany dia nisy tranga roa nifanohitra.

Ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany”, na omby na ondry (and. 26). Inona no antony? Antony tena manetriketrika: “An’i Jehovah izany.” Raha izany, ny manolotra voalohan-teraka, indrindra fa amin’ireo biby madio, dia toy ny mamazivazy.

Tsy mitovy amin’izany ny voalohan-teraky ny biby maloto. An’ny Tompo izy ireny, nefa tsy azo natolotra teo amin’ny alitarany. Azo natokana ho an’i Jehovah izy ireny, nefa fantatra tsara fa tsy maintsy navotana nony avy eo. Satria izy ireo tsy azo natolotra ho sorona, dia navotana tamin’ny fotoana nahaterahany; noho izy ireo nomena an’i Jehovah ankehitriny, nefa, dia mbola misy vidiny tsy maintsy omena indray, hanavotana azy ireo. Eto koa dia mbola manampy ampahenina, ary mampiseho izany fa misy zavatra tsy dia milamina tamin’ny fifidianana ny hanavotra voalohan-teraka maloto. Izany aza dia toy ny hoe nanandrana nampiasa indroa izay efa natokana; eto dia biby no resahina. Tsy tokony hanao fihetsika toy izany isika, amin’Andriamanitra. Ny fitiavana sy ny fankasitrahana dia mamokatra voa vaovao mandrakariva, voa efa matoy.

Etsy ankilany, “ny zavatra rehetra izay atokana” ho an’i Jehovah dia “masina dia masina, ho an’i Jehovah” (and. 28). Tsy azo namidy na navotana ireny.

Ny biby izay nahakasika ny tendrombohitra Sinay dia tsy maintsy novonoina. Niantsoan’i Davida ozona ny tendrombohitra Gilboa, satria teo no latsaka ny ran-dry Saoly sy Jonatana (2 Samoela 1. 21). Nampitandrina an’i Ahaba Andriamanitra, fa hovonoina i Beni-hadada (1 Mpanjaka 20. 42).

Toy izany koa ny momba ny Kananita (Deoteronomia 7. 2), indrindra momba an’i Jeriko sy izay rehetra tao (Josoa 6. 17)! Mampiseho ny havesatry ny fahotana nataon’i Akana izany. Notadiaviny halaina ho azy izay tian’i Jehovah hopotehina amin’ny afon’ny fahatezerany. Ny tsy fanatanterahana didy tahaka izany dia fiantsoana fandringanana ny tena (1 Mpanjaka 20. 42). Izany no tsy maintsy natao tamin’izay tanàna rehetra nanompo sampy tany Israely, ary koa tamin’izay olona rehetra nanosika ny rahalahiny hanao izany (Deoteronomia 13. 8, 15).

Toy izany koa, nanota i Saoly raha niaro an’i Agaga, nefa Andriamanitra efa nanapa-kevitra ny hamono azy.

Manetriketrika tokoa ny fahitana fa Andriamanitra mandrakariva, amin’ny maha-tsy refesina Azy, no miantso fandringanana; tsy mba ny olombelona, na oviana na oviana!

Mampivohitra fahamarinana mahatahotra iray ny andininy 29: “Hatao maty tokoa.” Ho an’ireo olona izay tsy manana an’Andriamanitra, tsy manana fanantenana eto amin’izao tontolo izao, dia aoka hapetraka amin’izy ireo ny fanontaniana hoe: “Ahoana no hataonareo, amin’ny andro famaliana”? (Isaia 10. 3). Efa namangy Andriamanitra, ary mbola hamangy, noho ny fahasoavany, nefa efa akaiky dia akaiky ilay fahatongavana mahatahotra, ho fitsaràna: “ Fa Andriamanitsika dia afo mandevona” (Hebreo 12. 29).

Tsaroantsika ny tonon’ny fihirana iray :

Misy tokonana, izay indrisy fa tsy dinganin’i Jesoa intsony

Tokonana mangatsiaka, very

Satria tsy namaly ny antsony tamin’Izy niantso farany.


Enga anie izao teny izao ka ho azo lazaina amin’ny tsirairay amin’ny mpamaky: “Nefa, ry malala, ... izahay dia manantena zavatra tsara ny aminareo, dia izay momba ny famonjena(Hebreo 6. 9).

Fantatsika fa raha maniry tsilo sy songosongo ny tany (ny fo), indrisy! dia melohina; efa akaikin’ny ozona izy, ary ny hiafarany dia ny hodorana. Nefa Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Teniny, dia mbola mitady ihany ny hamokatra “anana tsara” anaty fo voaasa (Hebreo 6. 7-8).

9